Fifamoivoizana

Taxi be eto Antananarivo Hitohy ny fitsirihana teknika maimaimpoana


  • Alakamisy 07 Mey 2020

Mifandraika indrindra amin’ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana hanalefahana ny fahasahiranan’ireo tompona fiara fitanteram-bahoaka na taxi-be

 

 eto Antananarivo sy ny manodidina, dia nanao fampahafantarana ny foibe fitsaràna fiarakodia (DGSR) amin’ny fitohizan’ny fanaovana fitsirihana ara-teknika maimaim-poana ireo fiara fitanteram-bahoaka (cars urbains et suburbains) eto an-drenivohitra, izay manana fe-potoana 15 andro azo havaozina. Manomboka rahampitso 08 mey 2020, dia hanatona ireo toerana famendrahana fanafody « désinfectant » eto an-drenivohitra ireo mpitsara fiarakodia hanatanteraka fitsirihana ara-teknika maimaim-poana ho an’ireo taxi be ireo, toy ny eny : By-Pass, Andohatapenaka/Kianjan’i Maki, Analamahitsy/Colesium ary Ambohimalaza akain’ny PAM, manomboka amin’ny 1 ora sy sasany ka hatramin’ny 05 ora tolakandro. Misokatra toy ny mahazatra ireo ivon-toerana fitsaràna fiarakodia: Ivato, Betongolo ary Alasora/By-pass, mba hanomezana fahafahampo ireo mpanjifa.

Pati sy Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT