Fifamoivoizana

Taxi be eto an-drenivohitra Matiantoka 50 000 ariary isan’andro


  • Alarobia 25 Martsa 2020

Mamotika asa fihariana maro eto amintsika ny fisian'ilay otrik'aretina coronavirus. Ankoatra ny tsy fahafahana manohy araka ny tokony ho izy ny fiainana andavanandro dia fidiram. bola maro no mihitsoka.

Ho an'ny taxi be ohatra dia 50.000 ar isan'andro raha kely ny vola votsotra tokony hampidirin'izy ireny any amin'ny mpampiasa azy raha tapaka 15 andro ny karaman'ireo mpamily sy ny mpanampy azy ho an'ireo mandray isam-bolana. Ho an'ireo miantehitra amin'ny kely azo ambonin'ny versement kosa dia efa tapaka sotro fihinanana nanomboka ny alatsinainy teo mitanin'andro sy lanin'ny adin-tsaina fotsiny miandry izay mety ho tohiny. Tsy misy hafa amin'izay ny taxi na fiara karetsaka izay mamelona ankohonana maro ihany koa ary manenjika versement 15.000 ar isan'andro raha kely saingy tsy afaka. Nomarihina filohana koperativa iray moa fa raha mitohy izao dia ny hanohanana no mety hahafaty ny gasy. Tsiahivina fa miisa 3500 ireo taxi be ato an-drenivohitra.mivondrona anaty koperativa 40 latsaka, mitrandraka zotra maherin'ny 70 isa.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT