Fifamoivoizana

Taxi-be eto an-drenivohitra Maro ireo tsy manome “Gel disinfectant” ny mpandeha intsony


  • Sabotsy 02 Mey 2020

Maro amin’ireo Taxi-be miasa eto an-drenivohitra ankehitriny no tsy manome “Gel desinfectant” an’ireo mpandeha miakatra ao aminy intsony.

 

 

 

 Asa na noho ny fanadinoin’ny resevera manome an’izany na noho ny tsy fisian’ny fitaovana ao amin’ilay fiara intsony na fanahiniana fotsiny tsotra izao ? Ny mpandeha rahateo ny ankamaroany tsy mitaky an’izany fa zara aza tafiditra ao anaty fiara. Mety ho antony hafa ihany koa ny tsy fitohizan’ny fanomezan’ilay fikambanana malaza manome fitiavana sy fanampiana ny vahoaka amin’izao andro sarotra izao ny fizarana maimaim-pona an’io fitaovana io hoan’ireto Taxi-be ireto ry zareo rahateo efa mimenomenona fa tsy maharaka ny sarany ny vola miditra amin-dry zareo amin’izao famerana ny olona entina izao ka mbola hangalana hividianana “gel” indray ny vola kely azo ? Tena mampalaza an-dRamalagasy hoa ity fanaovana afon’ampombo ity eo amin’ny zavatra atao.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT