Fifamoivoizana

Taxi be eny Antanimena sy ny manodidina Mbola maro ireo tsy mahalala ny toby fiantsonany


  • Zoma 30 Jolay 2021

Mbola velon-taraina hatrany hatramin’ny omaly ireo mpandeha taxibe mampiasa iny lalana eny Antanimena sy ny manodidina iny

 taorian’ilay drafitra entina handaminana ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra notanterahin’ny kaominina. Ankoatra ireo taxibe izay tsy mahalala intsony ny toerana tokony hijanonany mantsy dia sahirana ihany koa ny mpandeha hany ka miraparapa any amin’ny toerana tsy tokony alehany. Ho an’ny taxibe ao amin’ny zotra 139 ohatra dia nambaran’ny mpamily fa lasa nalefa any ambadiky ny Victoria plaza ny tobim-piantsonan’izy ireo. Betsaka ireo mpandeha tsy mahalala izany hoy izy hany ka mifanehitra amin’ireo mpanao sinto-mahery sy mpangarom-paosy. Mbola nitohy hatramin’ny omaly moa io fahasahiranan’ny mpandeha taxibe io, koa hanaovan’izy ireo antso avo amin’ny kaominina ny tokony hijerena izany. Toraka izany koa ny fitohanana izay mbola nahazo vahana ihany koa teny an-toerana. Mbola andrana ara-teknika ihany moa ity tanterahin’ny kaominina ity fa mbola ho avy ny fanovana ireo tsy mety hoy hatrany ny vaovao azo.

Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT