TAXI BE an’Antananarivo

Tena mila alamina fa mampijaly vahoaka isan’andro


  • Alakamisy 13 Martsa 2025

Filaharana lava be, ankisisika, fifanosehana. Izay foana isan’andro no iainan’iroe olona

mandeha takisibe eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina. Marina fa misy ireo zotra mandamina sy mandritra ny asany sy ireo mpandeha aminy fa ny 2/3 dia gaboraraka. Vao hiainga hianatra na hiasa amin’ny maraina izany dia efa adin-tsaina no misy, maro ireo mpiasa sy mpianatra no tara fidirana, miteraka sazy izany reefa miverimberina. Mody amin’ny hariva dia tena mbola tantara sy jeografia araka ny fomba fiteny.Milahatra sy misisika ary lany eo ami’ny 1 ora eo .mety mbola ihaotar an’izany aza.Ampian’ny tohamboivoy io , ka raha miala amin’ny 6 hariva eo analakely ohatra, dia amin’ny 8 ora alina any ho any vao mety ho tonga any Analamahitsy na Talatamaty na Itaosy.Raha atao izany ny kaonty dia lany eny ambony fitateram-bahoaka ny adin’ny 4 na adin’ny 5 isan’andro, izany hoe efa tonga any Antsirabe.
Raha ny fahitana azy dia tsotra y anton’ny fikorontanana : tssy misy fandrindrana mihitsy aoa natin’ilay koperativa na zotra fa ny mpamily sy ny resevera no maoa izay saim-panatny ka zavatra tokana ihany no tena mibaiko azy ireo matetika : feno ve ny versement ? Rehefa feno iny dia mbola miaritra kely manao tour 1 ohatra izy ireo dia vola am-paosiny indray iny. Tena tsy misy fiheverana ireo mpanjifa, izay tsy mitaingim-potsiny anefa fa mandoa saran-dalana. Amin’izao taona 2025 izao dia mbola ady saritaka ny fandehanana fiara fitateram-bahoaka eto an-drenivohitr’i Madagasikara. Raha alamina io dia azo alamina tsara, inona moa no antony tsy ifampiresahan’ny kaominina, ministeran’ny fitaterana, ny ATT sy ireo koperativa manana ztra mivoaka miditra an’Antananarivo ? Ny bokin’anrdraikitra rahateo efa misy , fa ny fanarahamaso no aotra. Ny didy aman-dalàna misy,ny fitsipika anaty misy…Sarotra no inoana fandrosoana sy fivoaran’ny tanàna izany raha ny fitateram-bahoaka isan’andro aza no tsy hay ny mandamina azy.
(Sary nindramina)
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT