Fifamoivoizana

TAXI BE 6 andro ihany no hisitraka ilay «gel » maimaimpoana


  • Alarobia 26 Aogositra 2020

Enina andro ihany raha araka ny fantatra no hisitraka ilay gel fanosotrona amin’ny tanana famonoana mikraoba avy amin’ny fanjakana ireo taxibe eto amintsika manomboka anio alarobia 26 aogositra,

 

 

 fotoana voafaritra hiverenany miasa. Ny aorian’izany dia ny tompon’ny fiara no hiantoka izany izay tsiahivina ihany fa in-droa manosotra ny mpandeha iray izany hoe : mandritra ny fidirana sy fivoahana izany. Ho an’ny taxibe ao amin’ny zotra Tselatra ahitana fiara manodidina ny 300 isa dia fantatra fa hanamafy ny fepetra horaisiny izy ireo. Misy amin’ireo mpandeha mantsy raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ao amin’ity koperativa ity no manala aron-tava rehefa mitelefaonina. Tsy mahita izany anefa ny mpamily sy ny mpanampy azy fa variana amin’ny asany ihany koa. Ireo mpitandro ny filaminana eo an-daniny hoy izy ireo tsy te-hahafantatra fa avy hatrany dia manasazy noho izany tsy maintsy hisy hatrany ny fanaraha-maso akaiky ireo mpandeha. Mikasika ilay fanaovana “désinfection” isan’andro dia hangatahin’izy ireo mba ny koperativa ihany no hanao izany ka omena azy ny fitaovana. Mety hahavita hamedraka fanafody ny fiara iray in-telo isan’andro mantsy izahay hoy izy ireo raha omena fahalalana no sady tsy mandany fotoana ihany koa.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT