Fifamoivoizana

Taxi an'Antananarivo Efa azo hafarana amin’ny tranonkalo


  • Alatsinainy 01 Aogositra 2022

Tsy voatery sakanana eny amin’ny arabe toy ny mahazatra teo aloha intsony ny fiara karetsaka fa efa azo hafarana amin’ny alalan’ny tranon-kalam-pifandraisana.

Ireo fiara efa manana licence nomerika ihany anefa no afaka hisitraka izany, raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Naina Andriantsitohaina . Hasiana fitaovam-pamantarana toerana na "géolocalisation" ireo taxibe ireo ary hisy fepetra hajaina toy ny fahadiovana sy ny fahatomombonan'ny fiara. Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny E-san'andro ary ny MOBILITY. Tanjona ny hanatsarana hatrany ny tolotra ho an'ny mponina sy hanatsarana ny fifamoivoizana. Maharitra 24 ora amin’ny 24 ora sy 7 andro amin’ny 7 andro ity tolotra ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny sonia fifanekem-piarahamiasa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT