Fifamoivoizana

Tarazon’ny fampiatoana ny «PR»


  • Alakamisy 11 Aprily 2019

Manevateva mpitandro filaminana ny mpamilin’ny lalam-pirenena

 

 

 

 

Nampahazo vahana ny famalian’ny mpamily ny mpitandro filaminana tato ho ato ilay fanafoanana ny polisy misahana ny fifamoivoizana (PR) teo aloha. Tsy vitsy ireo mpanamory fiarakodia no

mamalivaly sy manivativa ireo zandary sy polisy eny an-dalana, araka ny fampitam-baovaon’ireto farany tamin’ny mpanao gazetinay. Hain’ireo mpanamory fiarakoadia mantsy fa vao fanofanana

mikasika ny fandrindrana fifamoivoizana no vita fa ny fisavana taratasy mbola hotanterahina aoriana. “Misy amin’ireo mpamily mafy loha, mifamaly aminay mpitandro filaminana. Misy amin’izy

ireo koa miseho mahalala olona ka vao sakanana dia midrikina ary manindry miantso be bokotra any ambony. Ny hany hery ho an’ny mpandamina ny fifamoivoizana, indrindra amin’ny lalam-pirenena dia

miantso ny ATT. Ny olana mipetraka mantsy mikasika ireo mpandeha alina izay tokony hiara-dia maro sady arahina zandary. Maro ireo mpamily no tsy manaiky izany fa miseho mijokojoko irery.

Rehefa misy loza manjo amin’ny fanakanan-dalana anefa dia aty aminay mpitandro filaminana ihany no miantso vonjy. Raha misy fahataranay anefa tsy araka ny mokondohan’izy ireo fa

fanomezan-tsiny no betsaka”, hoy ny fitarainana mpitandro filaminana iray izay miasa amin’ny lalam-pirenena faha-4. Toe-tsaina isehoan’ny endrika kolikoly ity fireharehana mahafantatra olona ambony ity tato ho ato.

 

Haja Nirina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT