160km miazo an’Andramasina
Nosokafan’ny Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana Rtoa Clémence Raharinirina tamin’ny fomba ofisialy ny talata 24 martsa 2026 teo tao Anepoka, Sabotsy Ambohitromby ny asa fanamboaran-dàlana mirefy 160km mampitohy an’Antananarivo sy ny distrikan’Andramasina. Angady nanana izany ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny fikambanana Zanaky ny Distrikan’Andramasina (ZADIA), ny mpitatitra, ary ny Faritra Analamanga. Andraikitra raisin’ny Faritra Analamanga ny fanolorana sy fandefasana ireo fitaovana goavana (engins) toy ny compacteur, citerne, ary niveleuse hanatanterahana ny asa. Ny lalan’ny Fokontany Anepoka mapitohy amin’ny Kaominina Alatsinainy Bakaro no nanombohana izany, ary hitohy any amin’ny Kaominina Ambohimiadana sy ny sisa araka ny lamina efa napetraka niarahana tamin’ireo Ben’ny tanana ao anatin’ny Distrikan’Andramasina. Talohan’izao fanombohana ofisialy izao, na dia mbola ao anatin’ny famaramparanana ny vanim-potoan’ny orana aza isika, dia efa nisy ny fandinihana lalina nataon’ireo teknisiana sy manam-pahaizana manokana eo anivon’ny Faritra Analamanga izay nijery mialoha ny toetry ny tany sy ny kalitaony. Natomboka tamin’ny « terrassement » (dingana voalohany) aloha ny asa ary aorian’izay kosa dia ho rakofana « quartzite » (dingana faharoa) mba ho tena mafy tsara sy hateza, araka ny fanazavana teknika. « Asa goavana sy mankadiry no miandry, kanefa efa nanao fikojakojana ireo fitaovana mankadiry hahafahana manao izany Faritra. Manamafy ny fisaorana ireo olom-boafidy na ny ZADIA na ireo rehetra mbola vonona tànana. », hoy ny Lehiben’ny Faritra Rtoa Clémence Raharinina. Namafisiny fa manatontosa hifanome antsakany sy andavany ny toromarika avy amin’ny Fanjakana ny FaritraAnalamanga. Asa no itsarana ny tsirairay dia manatanteraka izany ny Faritra, ary tsy hisy distrika ho adino. Tsy Andramasina ihany fa mizotra tsara koa ny fanamboaran-dalana ho an’Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Renivohitra, ary efa hirosoana ny any Anjozorobe sy Ankazobe. Nanasitraka ny finiavana lehibe ireo manam-pahefana samihafa eny ifotony samihafa ao ahitana ny avy amin’ny distrika, ireo ben’ny tanàna maro, ny Fikambanana ZADIA,… noho ny fitazonan’ny faritra ny teny nomeny, ny fanehoana fa misy mpijery Andramasina amin’izao raha natao anjorom-bala hatramin’izay,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.