Tantsoroka avy

amin’ny Faritra Analamanga


  • Alakamisy 26 Febroary 2026

Natomboka ny fanamboaran-dàlana eny amin’ny Kaominina Ampanefy

Ny Kaominina Ampanefy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano no nanombohana ny fanamboaran-dàlana izay tantsoroka avy amin’ny Faritra Analamanga amin’ny alalan’ny fanomezana ireo fitaovana na « engins » taorian’ny fanarenana ireo fitaovana ireo, izay tsy saika tsy tomombana avokoa. Naneho sy nanamafy ny Lehiben’ny Faritra Analamanga Rtoa Clémence Raharinirina, fa ny 99% tamin’ireo ben’ny tanàna eto Analamanga izay nihaona taminy dia saika nitaraina sy nametraka ny haratsin’ny làlana ho olana fototra avokoa. Noho, hoy izy, izany dia atao vaindohan-draharaha ny làlana. Raha ny tokony ho izy, ny fahavitan’ny taom-pahavaratra dia any amin’ny tapaky ny aprily, saingy nangataka ity kaominina ity, fa na ao anatin’ny fotoan’ny orana aza dia nangataka mba hahafahan’ny kaominina manarina sy manafaingana ny asa fanamboarana làlana. Tsy tokony hahatsiaro diso anjara ny kaominina 142 ambiny, fa tsy maintsy ho avy daholo ny fanomezana ireo engins hampiasaina ho an’ny tombotsoan’ny Faritra izay ho eo anilan’ny kaominina tsirairay, ary ny toky izay nomena, hoy hatrany Rtoa Clémence Raharinirina. Ao anatin’ny 15 andro no hanatanterahana ny asa fanamboarana ao amin’ny Kaominina Ampanefy. « Zava-dehibe loatra izao fandraisan’andraikitra avy amin’ny Lehiben’ny Faritra Analamanga izao. Fifaliana ho anay ny fiaraha-miasa izay mahavaha olana. Ao anatin’ny fanavaozana isika izao, ka havaozina ny làlan-tany hivadika làlam-bato », hoy ny ben’ny tanàna Ramiliariason Fabrice « Lovatiana. Matetika simba ity làlana ity, ka fanirian’ny vahoaka tokoa ny hahavitany satria lalan-dran’ny kaominina ny lalana », hoy kosa ny mponina. Ankoatra ny làlana, fa maro ny asa efa natao, tan-tsoroka nentina ho an’ireo kaominina nataon’ny Faritra Analamanga. Mijery sahady izay mety atao amin’ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra, fanohanana ny tantsaha, mbola maro ny vava asa hafa toy ny fampidirana rano fisotro, jiro,… izay efa jerena, fa ny maika aloha izany dia ny làlana, hoy hatrany ny Lehiben’ny Faritra Analamanga Clémence Raharinirina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT