Fifamoivoizana

Tanjombato Taksibrosy roa tsy ara-dalàna, tratra nitondra mpandeha


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2019

Taksibrosy roa sprinter sy mazda no saron’ny polisy teny Tanjombato nitatitra olona nikasa hivoaka ivelan’Antananarivo, ny sabotsy teo.

 

Tsy misy manana fahazoan-dalana ara-dalàna hitondra mpandeha hivoaka izy ireo fa mangalatra raha ny fantatra. Ankoatra izay, efa lany fiantohana ihany koa ilay sprinter ka voatery nogiazana nampidirina anaty trano fihibohana izy roa. Raha ny fanazavana hatrany dia teny Iavoloha no tratra ny iray ary teny Mandrimena kosa ny iray, teo akaikin’ny fiantsonan’ny taksibe ao amin’ny zotra 172. Hentitra tanteraka ny mpitandro ny filaminana amin’ny fanaraha-maso ireo taksibrosy mivoaka sy miditra eto an-drenivohitra. Maro amin’ireo fiara mitovy amin’izy ireny mantsy no manararaotra noho ny hamaroan’ny mpanao vakansy ankehitriny. Manao saran-dalana mora ihany koa izy ireny raha ny fantatra ka maro ireo roboka manjifa azy. Misy amin’izy ireo moa no mijanona eo Antsirabe fotsiny raha misy mihitsy ireo sahy mandeha lavitra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT