Fifamoivoizana

Tandindonin-doza ny famatsiana entana Milaza tsy hiasa ireo kamionera amin’ny RN2


  • Alarobia 11 Janoary 2023

Hijanona tsy hiasa ireo mpitatitra kamionera amin’ny RN2 miazo an’i Toamasina manoloana ireo lozam-pifamoivoizana, fatiantoka, tebiteby iainan'izy ireo vokatry ny lalan-dratsy feno lavaka.

Mitaky sy miantso ny fanamboarana ny làlana izay tena mampiteny ny moana ankehitriny. Efa hatry ny ela moa no nisian’ny fanairana momba ny haratsin-dàlana, saingy toa hodiana adala sy hanaovana fampanantenana poakaty lava. Efa tany amin’ny martsa na aprily 2020 no nanao sehoseho tany amin’ny RN2 ny Filoha Rajoelina fa hamboarina iny làlana iny, orinasa miisa 3 no nolazaina fa hanao izany ary naseho ireo fitaovana na “engins” nambara fa hanao azy. Nisy tokoa ny fikitihana sy fanamboarana, saingy tsy hita hoe: hatraiza sy nanao ahoana fa ny iaraha-mahita aloha dia raha natao 5 ka hatramin’ny adin’ny 9 eo arakaraka ny fiara ny RN2 tamin’ny mbola tsara, dia efa adin’ny 13 hatramin’ny 20 ora no hanaovana azy ankehitriny. Vao ny oktobra 2022 indray no nandeha ny fampanantenana fa hanomboka tsy ho el any fanamboarana ny RN2, RN4, RN7 kanefa mety hialokalofana indray ny hoe: amin’ny vanim-potoana tsy misy orana no fanamboarana làlana. Inona no nampidororororo tsy nanaovana azy hatramin’izay fa fampanantenana poakaty lava? Nankaiza ny volan’ny FR (Fonds Routiers) avy amin’ny solika? “Efa tafiditra amin’ny “forme grave” ny asanay, mitebiteby lava, henjana vao tonga any amin’ny vahoaka Malagasy ny sakafo hoanina. Miantso ny Filoha mba hijery ny RN2 satria io no antoka sy iankinan’ny toekerana. Avy ato daholo no mivoaka ny solika, fanafody, entana ilaina andavanandro (PPN),…”, hoy ny Filohan’ny Filohan'ny sendikan'ny kamionera RN2: Rakotoarisoa Joelson Gabriel. Miangavy manao antso avo fa sahirana sy mitebiteby lava izahay, miady saina amin’ny haratsian’ny làlana izay mampidi-doza, mila hanaraka hatramin’ny aina, hoy hatrany izy, tamin’ny alalan’ny horonan-tsary taorian’ny kamio iray nivadika, izay nambarany fa efa kamio telo tamin’io izay no nivadika teo. Maneho moa ireo kamio mpitatitra fa tena mahatsapa ho tompon’andraikitra eto amin’ny firenena amin’ny famatsiana ny filàna sy sakafon’ny Malagasy hatrany am-bilaniny. Ankoatra ny faharatsian’ny làlana, mitaraina ihany koa amin’ny fahasarotana amin’ny fidirana ao anatin’ny seranan-tsambo, indrindra fa rehefa misy sambo satria ajanona ny kamio, hany ka lany ao ny fotoana kanefa mbola ady mafy ny miandry. Naneho izy ireo fa tsy mba misy mpiaro, ary milaza tsy hiasa hiasa io eo anatrehan’ny faharatsian-dàlana ka mitaky fandraisan’andraikitra. Tena ho zava-doza ary vao mainka hampidangana ny vidin-javatra izay efa tsy zakan’ny Malagasy intsony ity olan’ny RN2 ity.
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT