Fifamoivoizana

Tanandava Toamasina Naparitaky ny Emmoreg ireo mpitatitra nitokona


  • Zoma 09 Jolay 2021

Nitohy omaly 08 jolay 2021 ny fitokonan’ireo mpitatitra entana any amin’ny làlam-pirenena faharoa (RN2) mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, izay nanomboka ny alarobia teo.

 Mihamafy ny fitakiana na eo aza ireo vitsivitsy mbola manohy ny asa. Omaly atoandro anefa, tonga teo amin’ny Rond Point Tanandava avokoa ireo mpamily kamiao rehetra nanao barazy namerina ireo « Camion » minia mbola manohy nitatitra entana miakatra aty Antananarivo. Niditra an-tsehatra nandrava ny fanakanana kosa ny zandary. “Efa niaraka taminay teo ireo zandary ireo fa nisy baiko nilatsaka nandrava fanakanana ny sakana nataon'ireo Mpamily camion”, hoy ny fampitam-baovao. Nandefa baomba mandatsa-dranomso ireo zandary, ka nisy mpamily iray sy zaza iray naratra, araka ny vaovao vonjimaika azo omaly hariva.
“ATSAHARO NY FAKANA VOLA SY NY LAMANDY”
Takian’ireo mpitatitra moa ny hanatsaharana ny fakana vola amin’izy ireo mandra-pahavitan’ny làlana izay ratsy sy potika. Manitrikitrika izy ireo fa tsy arakaraka ny vola alaina aminy ny kalitaon’ny làlana, izay manimba zavatra maro maro, miteraka fandrobana sy famakiana kaontenera eny an-dàlana,… “Aoka mihitsy aloha ny fandoavana lamandy, ary ilay eo amin’ny “station de pesage” dia misy mandainga”, hoy ny filazan’ireo mpitatitra entana, izay toa miray feo na ireo aty an-dRenivohitra, toy ny etsy Ambohimangakely, na ny any Toamasina. Loza mitatao ho an’Antananarivo sy Madagasikara amin’ny resaka famatsiana entana ny fampikatsoana ataon’ny mpitatitra. Mila mijery ny vahaolana haingana ny Fanjakana satria mety vao mainka hiteraka olana hafa ny fifampiasan-kery, izay toa zary lasa fomba fiasan’ny Mpitondra ankehitriny. Sambany tao anatin’ny 60 taona angamba no nisy grevy noho haratsian-dàlana tahaka izao. Mila mandanjalanja ihany koa ny mpanao fitakiana sao sanatria lasa mivadika ho fahirano ho an’ny vahoaka tsy manan-tsiny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT