Fifamoivoizana

Tanànan’i Moramanga Mampitaraina ny mponina ilay « Dobon’Ingahy mera »


  • Alarobia 17 Jona 2020

Mampitarain’ny mponina ao an-tanànan’i Moramanga Alaotra Mangoro indray ankehitriny ny fahasimban’ny lalana mirefy eo amin’ny 700 metatra mampitohy ny sampanan-dalana avy any Anosibe an’ala mandalo ny toeram-piantsonan’ny zotra Kofimanga sy Kompima hatreny Tanamandroso.

 

 

 

 Tazana ao amin’ity toerana ity indray ankehitriny ny lavaka be feno rano ka nahatonga ny olona hanome anarana ny toerana hoe Dobon’Ingahy Mera na koa hoe Renindranon’i Mangoro vaovao. Fantatra fa tany amin’ny taona 2012 tany ity ampahan-dalana ity no efa namboarin’ny orinasa Ambatovy fa tsy dia nazava loatra ny fomba nanamboarana azy ka tany amin’ny taona 2016-2017 tany indray izy io dia potika ka nahatonga ny anarana hoe “Mangoro vaovao” ary taty amin’ny taona 2018 indray izy io vao nototofan’ny tale jeneralin’ny Fanalamanga taloha tany dia izao izy simba izao indray.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT