Fifamoivoizana

Tanànan’i Moramanga Fa miandry inona marina vao hamboarina ny lalana ?


  • Alatsinainy 12 Septambra 2022

Mampiteny ny moana ny làlana ao Moramanga Renivohitra, ary tsy vao izao no nitondrana izany fanamarihana izany.

Tsy vao samy ny olom-pirenena ao an-toerana nitondra fanairana ny hijerena an’izany. Antso an’efitra hatrany anefa, ka asa mbola miandry propagandy manaraka ve? Efa tena potika tanteraka, misy azo hiompiana trondro ny lavaka feno rano. Toerana mando lava rahateo i Moramanga. Iza marina ny tompon’andraikitra amin’ny fikojakojana sy fanamboarana ny làlana ao an-toerana? Tafiditra ao anaty tanàna, renivohitry ny distrika ny mihitsy ny làlana simba ka ny kaominina ve no tompon’andraikitra? Ao an-toerana anefa tsy mbola misy ben’ny tanàna voafidy ara-dalàna satria isan’ireo kaominina manodidina ny 20 namoahana didy fa haverina ny fifidianana na dia ny avy amin’ny TIM aza no lany. Ao anatin’ny faritra Alaotra-Mangoro io, saingy ny any kosa aza tsy misy governora. Tafiditra anatin’ny làlam-pirenena faharoa ifamezivezen’ny fiara an’arivony isan’andro. ihany koa anefa i Moramanga izany hoe: tokony ho miainga avy amin’ny tahiry ho an’ny fikojakojana ny làlana na FR (Fonds Routier), saingy tsy misy mpijery. Tsy any ihany no tsy voakojakoja, mijanona ho fampanantenana poakaty amin’ny ankapobeny ny hoe: tsy havela hisy lavadavaka intsony ny làlam-pirenena. Ny vola aza efa hatry ny ela no nandeha ny ahiahy sy ny filazan’ny fampahalalam-baovao sasany fa nanjavona sy voahodinkodina ny vola 547 miliara Ar tao amin’ny FR. Porofon’izany ve ny tsy fahavitan’ny fikojakojana saika manerana ny Nosy tahaka izao? Ny volan’ny orinasa mpanao làlana sy mpikojakoja làlana rahateo niaraha-naheno ny fitarainana sy antso fitakiana ny famoahana izany, saingy nijanona ho antso an’efitra. Miharihary toy ny vay an-kandrina ny tsy fahaiza-mitantana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT