TAMPONALA SOAVINANDRIANA

Lehilahy nitondra bisikileta maty tany anaty hantsana


  • Zoma 17 Janoary 2025

Lehilahy lehibe iray manodidina 60 taona eo ho eo no fantatra fa nilatsaka tany anaty

hady lalina mirefy 7 metatra niaraka tamin’ny bisikileta nentiny tany Ambohimarina Ambohimpihaonana Kaominina ambanivohitr’i Tamponala, distrikan’i Soavinandriana omaly Alakamisy 16 Janoary ary namoy ny ainy. Raha araka ny tombana dia mety nalama vokatry ny ranon’orana ilay lalana ka naka sisiny Itompokolahy ary nifatratra tany anaty hady izy sy ny bisikiletany. Vinavina ihany koa anefa ny fieritreretan’ny sasany fa mety ho nisy nanosika avy any aoriana izy na nifanena tamin’ny fiara dia naka sisiny saingy izao nihafara tamin’ny famoizany ny ainy izao. Tombana avokoa anefa izany rehetra izany fa ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana no tena hamaritra ny zava-misy marina. Omaly ihany moa dia efa nisy naka ny razana raha araka ny loharanom-baovao azo. Vokatry ny dona nateraky ny fianjerana no voalaza fa antony tena nitarika ny fahafatesany. Somary naharitra rahateo vao nisy nahita ny razana.
Pati
Legende : Hantsana lalina tahaka izao no nianjeran’ilay Raim-pianakaviana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT