Fifamoivoizana

Tale Jeneralin’ny ATT « Hifehezana ny saran-dalàna ny kitapom-bola iraisaina »


  • Talata 15 Septambra 2020

Niditra an-tsehatra ny Filohan’ny antokon-draharaha misahana ny fitanterana an-tanety na ny ATT Jeneraly Reribaky Jeannot eo anatrehan’ny fisokafan’ny zotra nasionaly amin’ny RN4 (Antananarivo-Mahajanga) sy ireo faritra hafa manomboka anio 15 septambra.

 

 

 Nandritra io no nilazany fa tsy tena mpitatitra ireo olona nitokona sy nanao hetsika ny faran’ny herinandro teo tao Mahajanga. Fanoherana ny «caisse unique » na kitapom-bola iombonana moa no notoherin’iretsy farany. Nilaza kosa ny Tale Jeneralin’ny ATT, fa fitazonana ny saran-dàlana, fandriampahalemana ho an’ny volan’ny olona, ary indrindra fa hifehezana ny tsy hiakaran’ny saran-dàlana eo anatrehan’ny fanararaotana samihafa no nanaovana io kitapom-bola iombonana io. Heverina fa ho maro ny mandeha hihazo an’i Mahajanga sy ny manodidina, ary tsy ho vitsy ihany koa ny avy any hiakatra aty an-dRenivohitra. Na izany aza, dia ilaina hatrany ny mitandrina satria isan’ireo toerana ahenoana tranga isan’andro ny eto Analamanga sy any Boeny. Isan’ny hisokatra manomboka anio ihany koa ny zotra Antananarivo-Ambatondrazaka.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT