Fifamoivoizana

Tale Jeneralin’ny ATT “Aoka mba hijanona ao an-trano aloha isika”


  • Zoma 02 Aprily 2021

Nanao antso avo amin’ny besinimaro hametra ny fivezivezena mandritra ny faran'ny herinandron'ny



 Paska ny Tale jeneralin'ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanenty na ny ATT Jeneraly Reribaky Jeannot omaly, mba hisorohana ny fiparitahan'ny coronavirus. Atao io mba hanapahana tambajotram-pifindrana na “chaine de transmission”. Nanentana hatrany ny tsy tokony hivoahana ny trano, na handeha hiala sasatra, ary raha misy antony manokana tsy azo hanoharana fa mila mivoaka ny trano dia tsy maintsy arahana tsara ny fepetra ara-pahasalamana, toy ny fanaovana arovava, fampiasana “gel désinfectant”,... Takiana ny famendrahana fanafody ara-dalàna farahafaratsiny indray mandeha isaky ny roa andro ho an’ny fiara fitaterana, tsy azo ampiasaina ny seza afovoany,... Malalaka ny fifamoivoizana ho an’ny rehetra ankoatra ny miazo an’I Mahajanga, Ambatoboeny, Marovoay, ary Nosybe, izay isan’ny tena ivon’ny valanaretina coronavirus.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT