Fifamoivoizana

Tale Jeneralin’ny APMF “An-tsosoko no nidiran’ireo nitondra covid-19 mahery vaika”


  • Alakamisy 01 Aprily 2021

Nanamafy ny Tale Jeneralin’ny APMF Capitaine de vaisseau Jean Edmond Andrianantenaina,

 

 

 

 fa antsokosoko ny nidiran’ireo olona nitondra ny valanaretina covid-19 “variant Sud-Africain” teto Madasikara. Ny 23 martsa 2020 no efa nofoanana tanteraka ny fahafahan’ny sambo mitondra olona avy any ivelany miditra sy mivezivezy eto. Antsokosoko ary tsy tany amin’ny seranantsambo no nidirany, hoy io tompon’andraikitry misahana ny Sampan-draharaha miantsoroka ny fanaraha-maso a-dranomasina io. Efa misy ny fepetra manokana noraisina mba hiadiavana amin’ireny toe-javatra ireny, hoy ny fanazavana. Voarara ny fivezivezena an-dranomasina miditra sy mivoaka an’i Nosy Be sy Mahajanga. Tsy anjaran’ny APMF kosa ny mandray fepetra momba ny sambo mpanjono. Ny 20 martsa lasa teo moa no nilazan’ny Filoha Rajoelina, fa ny alakamisy nialoha an’io, dia nisy botry avy any Moelli Kaomoro nisodisody teny an-dranomasina nikasa hiditra an-tsokosoko, ary nahiana ho nisy olona maty tao anatiny. Ireny no ambara fa nitondra ny covid-19 mahery vaika.

TRATRA TANY AMBAJA

Ankoatra izay, mpandeha an-tsokosoko telo avy any Nosy Be no tra-tehaky ny miaramila avy ao amin'ny ZMPI Ankarana ny 29 martsa 2021 lasa teo tao amin'ny seranan-tsambo Antsahapano Kaominina Ambanja, araka ny fampahafantaran’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena omaly. Efa napetraka eo am-pelatanan'ny zandarimaria izy telo mirahalahy hatao famotorana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT