Fifamoivoizana

Tale jeneralin'ny ATT "Aleo hiasa an-kahalalahana izay taxi be te hiasa"


  • Talata 05 Mey 2020

Tsy manamaivana ny fatiantoka fa tsy vao androany io fa efa tany aloha, hoy ny Tale Jeneralin’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ny ATT Jeneraly Reribake Jeannot manoloana ny fanatsaharan’ny UCTU sy UCTS ny asany.

 

 

 

 Nambarany fa ny tena antony dia ny fanaovana fampanofana ny fiara, ny tsy fampiasana ny tapakila na billet izay mampitombo ny vola eny am-pelantanan’ny resevera, ny tsy fisian’ny fitaovana fanaraha-maso fa dia mivoaka maraina mody ny hariva. Nifampidinika tamin’ireo lohandohan’ny mpisorona tamin’ny koperativa ka nalamina hoe mifandimby ny taxi be miasa noho ny havitsian’ny olona, saingy izy ireo no nilaza fa aleo hiasa daholo, hoy io tompon’andraikitra io. Hisy ny fandoavana ny “compensation” 2017 ho an’ny mpitatitra. Efa nomena “licence” maimaimpoana 15 andro ny mpitatitra izay efa fanamaivanana izany. Nomena fitsirihana ara-teknika maimaimpoana. Asam-bahoaka io ary efa nisy fifanarahana tamin’ny fanjakana. Aleo hiasa izay te hiasa ary malalaka izay tsy te hiasa, hoy ity tompon’andraikitra ity. Efa krizy no misy dia mbola hovolena krizy ihany koa, hoy izy. Vonona hifampiresaka hatrany ny Minisitera sy ny ATT, hoy ny Jeneraly Reribaky Jeannot.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT