Fifamoivoizana

Talatamaty Olona roa maty nofaohan’ny fiara


  • Alatsinainy 31 Jolay 2023

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina ny sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 1ora sy 20 minitra atoandro teny amin’ny lalana mampitohy an’i Talatamaty sy Antanetibe

Antehiroka teo akaikin’ny toerana fanasan-damba. Fiara iray 404 bache no nifaoka olon-droa ka samy namoy ny ainy avokoa ireto farany na dia efa nentina teny amin’ny hopitaly aza. Nitolo-batana tamin’io Sabotsy io ihany moa ilay mpamily rehefa avy nitsoaka kely ka tsy nampanginin’ny feon’ny fieritreretany. Tsiahivina hatrany moa fa vokatry ny tsy fahatomombanan’ny fiara no miteraka ny ny 80%-n’ny loza izay mety hamoizana aina tahaka izao. Lohalaharana amin’izany ny tsy fanaovana fitsirihana ara-teknika na manao ihany fa manesika vola ka tsy hita maso akory ny tena fahatomombanan’ilay fiara. Eo ihany koa ny fahalainana mikarakara ilay fiara na ny tsy fanaovana entretien. Ny 20% ambiny kosa dia avy amin’ny tsy fitandreman’ny mpamily toy ny fandehanana mafy, ny fisotroan-toaka diso tafahoatra, ny fisetrasetrana….Alevina anio moa ireo olona namoy ny ainy ireo raha araka ny loharanom-baovao azo.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo ireo olona namoy ny ainy sy ilay fiara !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT