Taksibrosy zotra nasionaly

Manomboka misy nampiakatra saran-dalana


  • Alarobia 14 Mey 2025

Nanitsy ny saran-dalany ireo taxi-brousse mivoaka ny faritra toy ny miazo ny lalam-pirenena fahaenina,

faharoa ary fahaefatra. Nanomboka omaly Talata 13 May no nisian’ny tabilao mampahafantatra izany ny mpandeha. Vokatry ny haratsian-dalana sy ny fiakaran’ny vidin-tsolika no voalaza ho antony nandraisan’ ireo koperativa voakasika izany fanapahan-kevitra izany. Ho an’ireo miazo ny distrikan’Ambanja ohatra dia lasa 100.000 Ar ny saran-dalan’ny olona iray raha 90.000 Ar teo aloha. Lasa 120.000 Ar kosa ny miazo an’Ambilobe raha 100.000 Ar teo aloha. Ho an’ireo taxi-brousse mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina dia lasa 40.000 Ar izany raha 35.000 Ar teo aloha. Lasa 70.000 Ar kosa ny miazo an’i Mahajanga raha 60.000 Ar teo aloha, saran-dalana vaovao hita teny amin’ny tobim-piantsonana Maki Andohatapenaka. Nohamafisin’ireo mpamily sendra anay moa fa tsy fampiakarana no natao fa fanitsiana. Raha fampiakarana mantsy hoy izy ireo dia mety hahatratra hatrany amin’ny 40% mihitsy izany raha kely miampy ny halafosan’ny vidin’ireo karazana kojakoja ilaina amin’ny fiarakodia izay miakatra andro aman’alina ihany koa. Mbola tsy fantatra mazava moa na anion a rahoviana no hihatra tanteraka io fanitsiana saran-dalana hataon’ireo mpitatitra mianavaratra io. Kivy moa ny ankamaroan’ireo mpandeha raha araka ny hita teny rehetra teny indrindra fa ireo mpanao varo-mandeha. Ho ripaka am-pitoerana eto ny vahoaka Malagasy hoy ny sasany raha mbola mitohy izao fidangan’ny vidim-piainana izao.
Pati
Legende : Tsy manaiky lembenana intsony koa ny taxi-brousse manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT