Fifamoivoizana

Taksibrosy nandona taksibe Olona roa naratra mafy


  • Alakamisy 03 Oktobra 2019

Nisehoana loza mahatsiravina teny Andranomena omaly maraina. Taksibrosy iray mampitohy an’Antananarivo amin’ny faritra na irony antsoina hoe nasionaly irony no naka sisiny loatra ka nandona taksibe

 

 

 

 iray teny an-toerana  avy any aoriana, mitatitra mpandeha hankaty an-drenivohitra, nandray olona teo amin’ny tobim-piantsonan’ny taksibe teo Andranomena.  Vehivavy iray manodidina ny 25 taona no nofaohany ka niankapoka raha iny niakatra ilay taksibe handray azy iny, niampy  tovolahy iray izay nipitika ary voalaza fa mbola herotrerony ihany koa. Torana tsy nahatsiaro tena izy noho ny dona mafy nahazo azy sady nihosin-dra ihany koa. Rovitra ihany koa ilay zipo nanaovany. Raha ny fanazavan’ireo mponina eny Andranomena nanatri-maso moa dia nandeha mafy ilay taksibrosy ao amin’ny zotra nasionaly, antony nahatonga ny loza sady efa reraky ny torimaso ihany koa ilay mpamily. Nitsoaka moa ity farany nandritra ny fotoana nitrangan’ny loza noho ny tahony ny fitsaram-bahoaka mety nihatra taminy. Nentina avy hatrany teny amin’ny hôpitaly manara-penitra ireo naratra. Hatramin’ny fotoana nanoratanay moa dia mbola mampanahy ny fahasalaman’ilay vehivavy naratra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT