TAKSIBROSY MIVOAKA ETSY ANDOHATAPENAKA

Mahalany solika 40.000 litatra isan’andro


  • Alatsinainy 09 Septambra 2024

Mahalany solika 40.000 litatra isan’andro ireo taxi-brousse mivoaka etsy amin’ny tobim-piantsonan’ny

taxi-brousse etsy amin’ny Maki Andohatapenaka. Mahatratra 218 ka hatramin’ny 258 isan’andro izy ireo no mivoaka an’Antananarivo ka ireo miazo ny faritra Avaratra andrefana sy Antsinanana no tena maro an’isa indrindra izany hoe : miazo ny lalam-pirenena fahaefatra sy faharoa. Mampiavaka azy ireo raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ny fanarahana ny fenitra napetraky ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety hisorohana ny loza mety hitranga eny an-dalana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanajana ny haavon’ny entana sy ny fanaraha-maso ny fiara mialohan’ny hivoahany ny tobim-piantsonana. Tsy latsa-danja amin’ireo ny fijerena ny taratasin’ny fiara, ny mombamomba ilay mpamily, ny olana ara-teknika mety hitranga… Sehatr’asa mampidi-bola ny asa fitateram-bahoaka tahaka izao amin’ny ankapobeny. Sady manome asa olona maro mantsy izy no afaka mampifandray faritra maro ihany koa amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny tolotra sy ny tinady.
Pati
Legende : Sehatra mampidi-bola ny fampiasana taxi-brousse rehefa fotoam-pialan-tsasatra lehibe tahaka izao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT