Fifamoivoizana

Taksibrosy mankany amin’ny faritra Niakatra 5.000 ka hatramin’ny 10.000 Ar ny saran-dalana


  • Zoma 30 Desambra 2022

Niakatra ny saran-dalana miazo ny faritra Atsimo Atsinanan’ny Nosy sy ny tapany Avaratry sy Atsinanan’ny Nosy amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao.

Manodidina ny 5.000 Ar ka hatramin’ny 10.000 Ar isan’olona izany. Noho ny hamaroan’ny mpandeha midina miazo ireo faritra ireo no voalaza fa antony mampiakatra ny saran-dalana. Lasa 120 isa isan’andro mantsy izao ireo taxi brousse miainga etsy amin’ny tobim-piantsonana Fasan’ny Karana izay niakatra 100 % nanomboka tamin’ny fetin’ny Noely ka miazo ny faritra Atsinanana avokoa ny 30%-n’izany. Raha araka ny fanadihadiana natao moa dia noho ny tsy fisian’ireo mpandeha miakatra eto an-drenivohitra no antony nampiakaran’ireo taxi brousse ny saran-dalany. Nihena kosa ireo taksibrosy miazo ny lalam-pirenena faharoa sy fahaefatra ary fahaenina raha oharina tamin’ny vanim-potoana talohan’ny fetin’ny Krismasy. Nahatratra 250 isa mantsy izany tamin’ny faran’ny herinandro teo raha manodidina ny 100 amin’izao. Marihina moa fa samy hentitra amin’ny fampiasan’ny mpandeha arovava orona ireo tobim-piantsonana roa ireo amin’izao hisorohana ny valan’aretina Covid 19 tsy hiparitaka. Toraka izany koa ny fampiasana ilay fitaovana fitsapana hafanana eo am-piaingana. Miantso ireo mpitondra fiara mba tsy ho handray zava-mahamamo sy hitandrina tsara araka izany ny tompon’andraikitr’ireo tobim-piantsonana ireo hisorohana ny olana sy ny fahasahiranana mety hitranga.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT