Fifamoivoizana

Taksibrosy mampiakatra saran-dàlana Manara-maso sy mampitandrina ny Fanjakana


  • Alarobia 30 Desambra 2020

Nanamafy ny Minisiteran’ny fizahantany, ary ny famantarana ny toetr’andro

 

 

 

omaly fa voarara ny mampiakatra ny saran-dàlana ho an'ireo taksibrosy amin'izao vanim-potoanan'ny fety izao. Mitohy ny fanaraha-maso ataon'ny Ministera, ny ATT ary ny Mpitandro ny filaminana, eto Antananarivo sy any amin'ny Faritra. Manasa anao hanainga maraina, raha azo atao, mba hialana amin'ny olana eo amin'ny tsy fahitana fiara sy ny fahabetsahan'ny mpandeha, hoy ny fanentanana avy amin’ny Minisitera. Ho an’ny etsy amin’ny Fasan’ny Karana manokana, dia nametrahana takelaka lehibe fampahafantarana ny saran-dàlana ara-drariny: Ho an’Antananarivo-Ambositra dia 19 000Ar ny saran’dàlana, Fianarantsoa 26 000AR, Fandriana 20 000AR, Ihosy 34 000AR, Toliara 52 000AR, Vangaindrano 50 000AR, Manakara 40 000AR, Mananjary 35 000Ar, Taolagnaro 100 000Ar, Morondava 40 000AR, Miandrivazo 27 000AR.

 MILA SAZY HENJANA

 Mandeha ny fanararaotana, ary vitan’ny mpitatitra sasany ny tsy nipoitra teny amin’ny Fasan’ny Karana ny 24 desambra eo anatrehan’ny fandrarana ny fampiakarana saran-dàlana. Efa alina vao nitady koperativa hafa hitatitra ireo mpandeha ny mpitantana ny tobim-piantsonana, ary nidina teny ny Ministera sy ny ATT ary ny mpitandro filaminana. Voatazona ho 10 000Ar ny saran-dàlana. Raha raisina amin’io, dia sahin’ny mpitatitra ny mandrefy ny Fanjakana eo anatrehan’ny fisorohana ny fanararaotana mampijaly vahoaka. Misy ny bokin’andraikitra amin’ny fitateram-bahoaka, saingy toa taonga amin’ny hoe: anay io dia izay tianay na toy ilay tenin’ny tanora hoe: “izay revinay io”. Toa zary lasa mifamono fa tsy mifamelona, tsy te hahalala ny hafa fa manararaom-paty, tsy manaja lamina sy lalàna,… ka mila mandray fepetra hentitra ny Fanjakana, ary raha ilaina aza ny fanasaziana dia mila henjanina. Toa zary lasa takalon’aina ny vahoaka madinika raha hoentina amin’ny hoe: midingin-drambo rehefa tsy havela manararao-paty sy manararao-pety. Mila saziana mafy izay mampiakatra saran-dàlana satria azo adika ho fanararaotana sy famonoana ny mpandeha io.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT