Fifamoivoizana

Taksibrosy - Fasan’ny karana Tsy hafindra eny Ambohimangakely indray aloha


  • Alatsinainy 13 Janoary 2020

Nihemotra tamin’ny fanapahan-kevitra efa noraisiny indray ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety sy ny

minisiteran’ny fitaterana mikasika ilay famindrana ireo taksibrosy mitoby etsy amin’ny fasan’ny karana ho an’ny tobim-piantsonana vaovao Fisandratana Ambohimangakely. Noho ireo antony ara-teknika maro tsy tomombana ao amin’ity ivontoerana farany no voalaza fa antony, hoy Atoa Reribaky Jeannot, tale jeneralin’ny ATT. Anisan’ireny ny havitsian’ireo taksibe mandalo eny an-toerana ka mety hiteraka fahasahiranana ho an’ny mpandeha. Tsy nanaovana fanadihadiana ihany koa ny mikasika ny fiparitahan’ny loto eny an-toerana izay mety hisy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny mponina, tsy voaomana tsara ny box tsinjaraina ho an’ireo koperativa isanisany…. Niara-nivory tamin’ireo mpitatitra etsy amin’ny Fasan’ny karana indray ny ATT ny faran’ny herinandro teo mikasika ny fikarakarana sy fandaminana tsy maintsy hatao eo amin’ity tobim-piantsonana Fasan’ny karana ity mandrapaha. Tsiahivina moa fa amin’ity volana janoary fiandohan’ny taona ity izy ireo no tokony hifindra raha tamin’ny desambra taona 2019 kosa no efa natao ny fiomanana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT