Fifamoivoizana

Taksibrosy - Fasan’ny Karana Niakatra avokoa ny saran-dalana rehetra


  • Talata 12 Jolay 2022

Niakatra nanomboka omaly avokoa ny saran-dalan’ireo zotra nasionaly sy rezionaly miantsona etsy amin’ny tobim-piantsonana Fasan’ny Karana.

Lasa 100.000 Ar ny miazo an’i Bekitro, 92.000 Ar ny miazo an’i Bekily, 80.000 Ar ny miazo an’i Belotsiribihiana, 35.000 Ar ny miazo an’i Miandrivazo, 48.000 Ar ny miazo an’i Morondava, 60.000 Ar ny miazo an’i Farafangana, 140.000 Ar ny miazo an’i Faradofay, 45.000 Ar ny miazo an’i Mananjary, 50.000 Ar ny miazo an’i Vohipeno, 48.000 Ar ny miazo an’i Manakara, 72.000 Ar ny miazo an’i Vangaindrano, 74.000 Ar ny miazo an’i Toliara, 43.000 Ar ny miazo an’Ambalavao, 49.000 Ar ny miazo an’Ihosy, 28.000 Ar ny miazo an’i Fandriana, 37.000 Ar ny miazo an’i Fianarantsoa, raha 25.000 Ar ny miazo an’Ambositra. Saran-dalana vaovao vao nihatra nanomboka omaly avokoa ireo taorian’ny niakaran’ny vidin-tsolika. Manodidina ny 20.000 Ar mahery eo ho eo izany fiakarana izany, raha araka ny fanadihadiana natao, fiakarana izay nambaran’ireo mpamily taksibrosy tetsy amin’ny Fasan’ny karana fa mbola azo hiafiana aza raha hampitahaina amin’ny fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiara sy ny haratsian-dalana iainan’izy ireo isan’andro. Ho an’ireo taxi brousse mampitohy an’i Toliara sy Fianarantsoa kosa dia tafakatra 45.000 Ar izany ho an’olona iray raha 30.000Ar teo aloha. Velon-taraina avokoa ny mpandeha manoloana io fiakaran’ny saran-dalana io. Ho an’ireo mpanao varo-mandeha dia fantatra fa tsy maintsy hampiakatra ny vidin’entana hamidiny avokoa izy ireo hamenoany ny banga amin’ny vola laniny amin’ny fiakaran’ny saran-dalana sy ny saran’ny entana oentiny.
Nangonin’i Pati
Legende : Tsy ela dia niakatra ny saran-dalana tety amin’ny tobim-piantsonana Fasan’ny Karana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT