Fifamoivoizana

Taksibrosy Fasan’ny karana hifindra toerana Very fihinanana ireo mpivarotra sy mpanera ary sécurité


  • Sabotsy 20 Janoary 2018

Milaza ho tsy manohitra velively ny fandaminana hatao amin’ny hamindrana tsy ho ela ny toby fiantsonan’ny zotra mpitatitra olona nasionaly sy rejionaly etsy amin’ny Fasan’ny karana ho eny Andohatapenaka sy eny Ambohimanambola ireo mpivarotra miisa 1500 sy mpanera 500 isa ary ireo mpiambina ny toby na sécurité

 

 mahatratra 500 ihany koa efa niasa am-polony taona mahery tao amin’ity toerana ity nefa koa mametra-panontaniana amin’ny fanjakana sy ny kaominina hoe : ho aiza izahay ireo ? Araka ny fantatra dia tsy anisan’ireo mahazo mifindra any amin’ireo toby vaovao ireo izahay noho izy ireo hotantanin’ny tsy miankina. Nanambara ny filohan’ny fikambanan’izy ireo avy dia ny delegen’ny tsena nisolotena ireo mpivarotra, Atoa Ramanapamonjy Martin sy ny filohan’ny fikambanan’ireo mpandraharaha na antsoina mahazatra hoe mpanera, Razafindrakoto Emile, ary ny lehiben’ny mpiambina ny fiantohana, Ramesy Rado, izay saika mpilalao rugby an’ny Tam Anosibe ny ankamaroany, fa dia ho lasa tsy an’asa avokoa izy ireo izay efa nivelona tanteraka tao amin’ity toerana ity nandritra ny taona maro ka ho be indray ireo hanatevin-daharana an’ireo jiolahy aoriana kely. Very fihinanana ara-bakiteny izy ireo ka miantso vonjy amin’ny tokony handinihan’ny tompon’andraikitra ny mikasika azy ireo.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT