Hitokona avokoa ireo taksibrosy sy kamiao mampiasa iny lalam-pirenena faharoa iny ka tsy hiasa rahampitso alarobia. Lohalaharana amin’izany ny mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina.
Notsindrian-dRakotondrafara Fredinard, filohan’ny ASTRAM fa mety hiitatra manerana ny Nosy raha tsy misy ny fepetra hentitra raisin’ny fitondram-panjakana. Antony handraisan’izy ireo ny fanapahan-kevitra ny fahafantarany fa navoakan’ny fitsarana ireo olona dimy efa nosamborin’ny zandarimariam-pirenena, noho izy ireo atidoha nikotrika ny fitorahana taksibrosy tany amin’iny lalam-pirenena faharoa iny, indrindra fa ny eo Brickaville ary efa nahasimbana fiara miisa 80. Tsy latsa-danja ny naharatrana ilay mpandeha iray izay zary poa-maso mihitsy, vokatry ny potika fitaratra niditra tany anaty masony, ka niantohan’ny koperativa ny fikarakarana azy. Eo ihany koa ny haratsian’iny lalam-pirenena faharoa iny, izay efa mila fanamboarana, hoy izy ary hakana vola amin’ny alalan’ny vidin-tsolika takiana aminy izy ireo… Nanambara moa ity filohan’ny ASTRAM ity, omaly, fa anisan’ny tena mampanahy mafy azy ireo ny hisian’ny valifaty hataon’ireto mpitoraka fiara ireto, ka tsy maintsy manaitra ny mpitondra fanjakana izy ireo. Nisy ny fisaorana manokana nomeny ny zandarimariam-pirenena.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.