Fifamoivoizana

Taksibrosy amin’ny lalam-pirenena Arahi-maso avokoa vao mahazo mandeha


  • Alakamisy 24 Desambra 2020

Manoloana ny fitombon'ny fivezivezen'ny fiara mpitatitra olona indrindra ireo

 

 

mitrandraka ny zotra nasionaly sy rezionaly amin'izao ankatoky ny fetin'ny Noely sy ny faran'ny taona izao dia nanao hetsika fitsirihana ara-teknika eo ampiaingan'ireo taksibrosy teny amin’ny toeram-piantsonana Maki Andohatapenaka sy Fasan-karana ary eny an-dalambe ny DGSR, ny antokon-draharaa misahana ny fitaterana an-tanety ary ny zandary sy ny polisy. Nanomboka afak’omaly izany izay mbola mitohy hatrany Raha tsiahivina dia jerena sy tilina ny tsindry hisatr’ilay fiara, ny toetry ny kodiarana, ny lafiny jiro ary ny familiana, ny setroka tafahoatra havoakan’ny motera ….Raha misy tsy fahatomombanana tsikaritra sy hita maso mandritra izany dia tsy afaka mandeha ilay fiara taksibrosy fa manamboatra raha toa ka azo amboarina sy soloina. Aorian’ny fanamboarana sy fanoloana izay tsy mety vao afaka mandeha manohy ny lalany izy ireo. Raha toa kosa indray betsaka ny tsy fahatomombanana hita ka ahiana hitera-doza any an-dalàna dia sintomina mihitsy ny taratasin’ny fiara ka hatao “INAPTE” izy ary asaina manamboatra ka tsy mahazo miasa intsony raha tsy mahavita “CONTRE-VISITE”. Izany no natao dia entina hampihenana ny lozam-pifamoivoizana amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao.

Pati

Legende : Arovana amin’ny loza mety ateraky ny fiara na ny mpandeha ao anatiny na ny mpandeha an-tongotra

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT