TAKSIBROSY 2 NIFANDONA

Mpandeha maromaro no naratra tao Arivonimamo


  • Alatsinainy 25 Aogositra 2025

Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona tao amin'ny Fokontany

Andrangaranga, kaominina ambanivohitr'Arivonimamo II, distrikan'Arivonimamo ny 23 Aogositra lasa teo tokony ho tamin'ny 10 ora sy 20 minitra. Fiara fitateram-bahoaka roa no nifampikatroka teo am-pifanenana ka mpandeha maromaro no naratra mafy ary tsy maintsy nentina haingana namonjy hopitaly lehibe tao amin'ny CHRD Arivonimamo. Raha tsiahivina kely dia fiara Sprinter mena, avy Antananarivo ho any Ampefy, nandeha mafy sy nanao fisongonana an-terisetra (dépassement forcé) fiara hafa ka nifanehatra tamin'ny fiara Sprinter fotsy, avy any Miarinarivo ho aty Antananarivo. Tsy afaka niala noho ny fipoiran'ilay Sprinter mena anaty zotran-dalana tsy azy ny iray ka mifanitsy tamin'ny zotra tokony ho azy. Nakotroka dia nakotroka ny fifandonana ka ny mpandeha tany amin'ny seza farany aza nipitika tany amin'ny seza aloha. Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy.
Pati
Légende : Tahaka izao ireo fiara roa nifandona !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT