TAKSIBEN’i FENOARIVO NANDEHA MAFY LOATRA

Naiditra am-balam-pamonjana, nofaizina ny mpamily sy mpanampy


  • Alarobia 21 Febroary 2024

Nampidirina ambalam-pamonjana ny taksibe iray miazo iny Fenoarivo

distrikan’Atsimondrano iny omaly rehefa nandeha mafy loatra ka nahazoan’ny 𝗭𝗮𝗻𝗱𝗮𝗿𝗶𝗺𝗮𝗿𝗶𝗮m-pirenena eny an-toerana fitarainana. Tena manao rallye mihitsy mantsy izy ireo am-perin’asa nefa ain’olona no entiny. Ankoatra izay dia mahasahy misangy sy tsy menatra ny mifampisongona amin’ny namany eny an-dalana ireo mpamily mba hanehoany fa azy ireo ny lalana no sady hainy ny familiana. Nandray ny fepetra mifandraika amin’izany ny zandary omaly ka nampitandremana mafy ilay mpamily sy ny mpanampy azy no sady nampilanjaina sora-baventy misy soratra hoe : tsy handeha mafy intsony izahay fa mamono olona. Marihina moa fa ankoatra ny fandehanan’ireo taksibe miazo an’i Fenoarivo mafy tahaka izao rehefa am-perin’asa dia tsy vitsy amin’izy ireo no manary mpandeha eny am-pandehanana sy mampiakatra saran-dalana raha vantany vao harivariva ny andro. Tafakatra 1400 Ar ny saran-dalana miainga eo Anosy miazo an’i Fenoarivo raha vantany vao latsaka ny ranon’orana isan-kariva.
Pati
Legende : Ireto ilay mpamily sy ny mpanampy azy mpilalao ain’olona !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT