Maro ny taksibe efa nampiakatra avy hatrany ny saran-dalana eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina, ny fotoana no nisy fahasamihafany satria teo ireo nanao izany avy hatrany tamin’ny faramparan’ny volana aogositra fa teo kosa ireo niandry ny voalohan’ny volana septambra vao niroso tamin’ilay saran-dalana 500 ariary.
Nisy ihany ny fifanazavana sy fifamaliana tany anaty taksibe fa tamin’ny ankapobeny dia nanaiky io sondro-bidin-tsaran-dalana io ny mpanjifa, satria tsy maintsy hampiasa fiara fitateram-bahoaka ka nandefitra aloha.Mitaky kosa anefa ny mpanjifa ny amin’ny hanatsarana ny fomba fiasa sy ny fitaovana ampiasaina amin’ny fitaterana satria tena maro ireo taksibe ao anatin’ny UCTU sy ny UCTS no gaboraraka sy tsy manaja ny fenitra araka ny bokin’andraikitra napetraka.Mbola misy ihany ireo miodina eny am-panehanana, izany hoe tsy tonga any amin’ny toerana voatondro fa handehanany, ao koa ireo mampifangaro tsotra izao ny olona sy ny entam-be, eny hatramin’ny akoho amam-borona aza.Mbola tsikaritra koa ny seza sy ny miaraka aminy rehetra to any “strapontin” na ilay seza kely eo afovoany izay misy vy mandratra sy mandrovitra akanjo amina taksibe maro.Maro be aza no sombin-kazo fisaka zara raha misy itombenana ary mety mampianjera sy mandrara mihitsy aza.Miperaka ny fanontaniana hoe: fa misy marina ve ny fanaraha-maso e ? Sa sanatria resaka ny moana sy ny marenina fotsiny izy ity na resaky ny samy maka ho azy. Mahazo tombony amin’ny hetra ny fanjakana, mahazo tombony amin’ny fiondrotan’ny saran-dalana ny tompon’ny fiara sy ireo koperativa mar samihafa; mbola mahita paikady hakana tombony ihany koa ny mpamily sy ny resevera..fa ny mpanjifa fona ve izany no hizaka ny zava-drehetra ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.