Fifamoivoizana

Taksibe tsy manara-dalàna Niraradraraka ny sazy ho an’ny Zotra D Ivato


  • Talata 11 Jona 2019

Tamin'ny zoma 07 jona 2019 dia notanterahina tao amin’ny minisiteran’ny fitaterana Anosy ny fanasaziana (CODIS) ireo fiara amin’ny zotra D (Antananarivo-Ivato) miisa 70 tratra nandika lalàna tato anatin'ny telo herinandro farany.

 

 

Voasazy avokoa na ny mpamily na ny tompon'ny fiara, hatramin'ny koperativa. Fampiatoana tsy miasa 3 hatramin'ny 10 andro no nampiharina tamin’ny mpamily sy tompona fiara 33, ary mihantona tsy mahazo mikarakara na manavao taratasy ara-panjakana (licences, autorisation spéciale) mandritra ny 10 andro ny Koperativa voakasik'izany. Fampiatoana tsy miasa mandritra 30 andro no sazin'ny tompona fiara iray ka vokatr'io dia mihantona mandritra ny 30 andro koa ny fikarakarana sy fanavaozana taratasy ara-panjakana ho an'ny koperativa voakasika. Fandrarana tsy mahazo mitondra fiara fitaterana intsony kosa no sazin'ilay mpamily iray nitondra io fiara io.
Mahatratra 20 no tsy tonga nefa nantsoina ka dia henjehina izy ireny ary homena ny sazy henjana noho ny tsy firaharahiana ny rafi-pandaminana ezahana apetraka ho fanatsarana. Efa tafatsangana moa ny komisiona ifarimbonan'ny minisiteran'ny fitaterana, ny ATT, ireo kaominina, ny zandary sy polisy, ireo koperativa ary ny solontenan'ny mpanjifa, ka tato anatin'ny roa volana izao, dia maro ireo dingana narahana sy lamina tsy maintsy napetraka mba hahazoana vokatra tsara sy maharitra. Manamafy ny avy ao amin’ny kaominin’Ivato fa tsy maintsy mitohy ny ezaka mba hametrahana ny zotra D ho fitaratra amin’ny fanajana ny lalàna.

Nangonin’i RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT