Fifamoivoizana

Taksibe tsy manara-dalàna Misy mandroaka mpamily avy hatrany ireo koperativa


  • Alatsinainy 09 Jolay 2018

Tsy mety tapitra ny resa-be mikasika ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny taksibe tato ho ato. Voakasika manokana ny eto an-drenivohitra izay mihodina an-dalana ny ankamaroany fa tsy misy tonga any amin’ny toby fiantsonana.

Raha ny fanazavan’Atoa Rakotoniaina Jean Paul, filohan’ny koperativa Soamiafara mihazo an’Andoharanofotsy  dia tena misy tokoa izany saingy  tsy betsaka fa azo isaina amin’ny rantsan-tanana  ho azy ireo  manokana. Ho an’ity filohan’ny koperativa iray ity mantsy dia tsy vitan’ny asam-birao toy ny an’ny sasany ny asany fa midina ifotony manara-maso ny asan’ireo eo ambany fiadidiany mihitsy. Miezaka ny manitsy sy mananatra hatrany ireo ao amin’ny koperativany tsy manara-dalàna Rakotoniaina Jean Paul. Ho an’ireo mpamily tratra dia mahazo fampitandremana avy hatrany. Raha mbola mamerina fanindroany izy ireny dia roahina tsy misy hindra fo ilay mpamily. Nomarihiny fa tsy mijanona fotsiny amin’ny fakana ny volan’ireo taksibe miasa ao aminy ny koperativa fa tena manao ny asany tokoa. Entina hanasoavana ny mpiasa sy ny tompona fiara mpikambana ao aminy ihany ny vola azo, hoy izy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT