Fifamoivoizana

Taksibe tapaka hisatra 7 naratra mafy tetsy Alarobia


  • Alakamisy 06 Septambra 2018

Taksibe iray zotra 150 no tra-doza raha izy nidina fidinana iny tetsy Alarobia Amboniloha, omaly maraina.

 

 

Tapaka hisatra io fiara io, raha ny fanazavana vonjimaika, ka raha tsy voavilin’ny mpamily aza, dia nanitsakitsaka olona. Nivadika ilay fiara rehefa nivily, ka olona miisa 7 no naratra vokatr’izany, ary nisy zazakely voa mafy teo amin’ny lohany. Torak’izany ihany koa ny mpamily, izay torana sy nifamonjena ankoatra ny fahatapahan’ny tanany. Ireo taorian’ny mpamily no ankamaroan’ireo naratra, izay nifamonjen’ny olona, ary fiara tsy mataho-dalana iray an’olona tsara sitrapo no nitondra ireo marary teny amin’ny hopitaly. Miisa 3 ireo efa voaray tao amin’ny hopitaly HJRA omaly antoandro, dia ilay zazakely sy mpamily, ary olon-dehibe hafa iray, izay samy tsy misy ahiana intsony ny ainy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT