Fifamoivoizana

Taksibe sasany eto Antananarivo Hampiakatra ny saran-dalany ho 500 Ariary


  • Zoma 20 Jolay 2018

Hampiakatra ny saran-dalany ho 500 Ar avokoa ireo koperativa miisa fito mivondrona ao anatin’ny FMA, manomboka amin’ny fiandohan’ny volana aogositra ho avy izao. Anisan’ireny ny taksibe ao amin’ny koperativa Mirindra 163 sy 194, ny koperativa Sitraka ao amin’ny zotra 109, ny zotra 165, ny koperativa KOFITAMA 143…

 Noho ny fahataran’ny fahatongavan’ny fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana sy noho ny fiakaran’ny vidin-tsolika tsy miato no voalaza fa anisan’ny antony mahatonga ireo koperativa ireo hampiakatra ny saran-dalany. Ho an’ny fivondronamben’ny mpitatitra eto Antananarivo Renivohitra, na ny UCTU kosa, izay misy koperativa miisa 53, araka ny fanazavan’ny filohany Lova Randrianatoandro omaly, dia mbola miankina amin’ny zava-misy ny hanondrotan’izy ireo saran-dalana, na tsia. Fantatra fa nihemotra ho amin’ny 20 jolay ho avy izao indray ny fandoavana ny fanampiana ho azy ireo, avy amin’ny fitondram-panjakana. Ho an’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa  filohan’ny RNDC  Rabetsara Lita dia tokony hisy hatrany ny fijeren’ny fitondram-panjakana sy ny taksibe ny marimaritra iraisana ho fitsinjovana ny mpanjifa. Mbola tena sahirana mantsy ny vahoaka hoy izy ka tsy tokony hanaovana letrezana tahaka izany.

 

Pati

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT