Fifamoivoizana

Taksibe nitrifana teny Behoririka Fiara 1 simba, olona 3 naratra


  • Alarobia 02 Aogositra 2017

Omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 ora no nitrangana lozam-pifamoivoizana saika nanahirana tetsy Behoririka.

 

Taksibe laharana 144 izay mampitohy an’Analakely sy Mahazo no tapaka isatra ary dia nijotso nifaoka ireo fiara rehetra nifanehitra taminy. Fiarakaretsaka Super 5 iray moa no tena hita ho voa mafy tao anatin’ny fifandonana nialohan’ny nifatraran’ity taksibe ity tamina fiara tsy mataho-dalana iray ka naha voadona mpandalo miisa 3. Araka ny vaovao voaray farany moa dia tsy nisy ny aina nafoy fa naratra avokoa ireo olona 3 voadona.Tsy vao izao fa matetika no misy loza ateraky ny taksibe, ka fahendrena kosa angamba ho an’ny mpitantana ny tanàna sy ny mpitondra fanjakana ny manara-maso akaiky azy ireny sy hentitra any anaty “visite technique” ; sa ve andrasana hisy faty olona maro be indray vao handray fepetra ?

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT