Fifamoivoizana

Taksibe nitokona Tsy nitovy hevitra ny UCTU sy ny UCTS


  • Alakamisy 28 Jona 2018

Olana iraisan’ny taksibe rehetra eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny fiakaran’ny vidin-tsolika sy ny fahataran’ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana omena azy ireo.

 

Tsy nitovy hevitra tamin’ny fitokonana tokony ho niarahany kosa ireo fitaterana mivondrona ao amin’ny UCTU sy ny UCTS omaly. Ho an’ny UCTU izay hivondronan’ireo mpitatitra eto an-drenivohitra dia fotoana mahamety hanairana ny fitondram-panjakana izao ka nahatonga azy ireo niato tsy niasa avokoa ny ankamaroany omaly raha mbola tazana nanohy ny asany ihany ny sasany toy ireo amin’ny zotra 119 sasany izay tsy mahatanty tsy mahazo vola. Ho an’ny UCTS indray na ireo miasa ivelan’Antananarivo Renivohitra dia manana ny fanapahan-keviny manokana izy ireo, antony tsy nitokonany omaly. Nisy tamin’ireo andian-dehilahy avy amin’ny koperativa eto an-drenivohitra nitokona no nigafy ireo zotra tsy nitokona ka tsy vitsy ireo zotra nahazo fandrahonana voatery nanala  plaky. Nisy ihany koa ireo mpamily navoakany teo am-pamiliana mihitsy ankoatra ireo saika nodorany. Ireo vahoaka madinika anefa no tena nitondra faisana tamin’ny fandehanana dia  an-tongotra namonjy fiasana sy fianarana, omaly. Tsy mbola nanambara ny amin’ny mety hampiakarany ny saran-dalana na ny hanohizany ny fitokonany anio ireto taksibe  nitokona ireto. Nilaza koa ny teo anivon’ny minisitera fa vao hitady vahaolana. Amin’ny ankapobeny dia nampitondra faisana ny rehetra iny tranga omaly iny. Fanehoan-kevitra mifandraika amin’izay :

Rtoa Fara : Tena tsy mety aloha ny ataon’ilay taksibe e ! Ny vahoaka madinika no tena mijaly amin’ny fandehanana  dia an-tongotra nefa tsy maintsy mivoaka ny trano mitady vola.

 Bary :  Amin’ny lafiny iray, rariny ihany ny an’ilay taksibe satria tsy miraharaha mihitsy ilay fanjakana. Ny vidin-tsolika anefa tsy mitsahatra miakatra ny saran-dalana tsy zakan’ny vahoaka madinika raha vao hampiakarina.

Pati


 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT