TAKSIBE NIPOTSAKA TSINDRY HISATRA

Saika namono olona teny Mahamasina


  • Alatsinainy 30 Oktobra 2023

Taksibe iray nisy mpandeha maromaro nidina avy any Ankadilalana hiazo an’Analakely

no tapaka hisatra tampoka ny Sabotsy atoandro teo ka saika namono olona maro. Vato voarary simenitra na irony antsoina hoe : borne amin'ny sisin’ny arabe irony no nanohana azy ka mba tafajanona ihany. Efa hikiaka sy antsoatso tsy nifandrenesana ny an’ireo olona nanatri-maso raha toraka izany koa ireo mpandeha tao anatiny. Vinavinaina ho nanimba fananana maro toy ny tsena sy namono olona maro toy ireo mpivarotra amoron-dalana sy ireo mpandeha tao anatiny moa ary ireo fiara nifanena taminy ity taksibe ity raha sanatria ka tsy tafajanona. Ny 80%-n’ny lozam-pifamoivoizana mitranga rahateo dia vokatry ny olana ara-teknika mahazo ny fiara avokoa raha vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily ny 20%. Antso avo araka izany no hatao amin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fitsarana fiarakodia. Tokony hisy mihitsy ny fanaraha-maso hentitra ireo fiara tonga mandalo eo anatrehan’izy ireny indrindra fa ireo fiara mpitatitr’olona hialana amin’ny loza mety hamoizana ain’olona tampoka tahaka izao.
Pati
Legende : Potika tahaka izao ny lohan’ilay fiara !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT