Fifamoivoizana

Taksibe mpihodina an-dalana Zotra 172 telo nampidirina “fourričre”


  • Sabotsy 18 Febroary 2017

Nidina nizaha ifotony ny tena fomba fiasan’ireo taksibe laharana 172 miasa ao amin’ny faritra iadidiany omaly Ranirison Hasina, Ben’ny tanŕnan’ny kaominina Andoharanofotsy sy ireo mpitandro ny filaminana ao aminy.

 

Ny mba hahafahana mandamina sy mandrindra ny fiarahamonina  no tanjona, indrindra taorian’ny saika nandoran’ny mponina ilay taksibe iray 172 teny an-toerana ny herinandro teo  nefa efa nampiakatra saran-dalana 500 Ar. Telo avy hatrany no tratra nanary mpandeha an-dalana omaly zoma, ka nampidirina “fourrière” avy hatrany, tsy afaka miasa fa mijanona ao an-tokotanin’ny kaominina. Teny Tanjombato ny sasany tamin’izy ireo no tratra nanary mpandeha raha avy any amin’ny 67 ha, fihetsika efa fanaon’izy ireo hatramin’izay. Mbola hitohy ny hetsika saingy ny hany hangatahin’ny Ben’ny tanànan’Andoharanofotsy amin’ireo mponina ao aminy dia ny tsy hanimbana fananan’olona, satria efa tena mandray andraikitra feno izy ireo ankehitriny. Nohamafisin’ity Ben’ny tanàna ity moa fa na iza na iza ho avy hifampiraharaha amin’izy ireo mikasika ireo taksibe telo tratra tsy nanara-dalàna ireto, dia tsy hanaiky izy ireo. Mbola ho avy ihany koa ny anjaran’ireo taksibe mivondrona ao amin’ny kaoperativa hafa.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT