Fifamoivoizana

Taksibe mihodina an-dalana Mety hiafara amin’ny fisintonana “permis”


  • Alarobia 28 Febroary 2018

Mitombo isa hatrany ireo taksibe mihodina an-dalana amin’izao. Tsy vitsy ireo tonga eny amin’ny antsasa-dalana dia miverina, mamindra mpandeha tsotra izao amin’ireo namany hafa ny sasany.

Tena tsy azo atao mihitsy anefa ireny karazana fihetsika  hataon’ny mpamily sy ny mpanampy azy ireny satria tafiditra ao anatin’ny tsy fanajana ny bokin’andraikitra raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny koperativa iray mivondrona eo anivon’ny UCTU na ny  fivondronan’ireo mpitatitra an-tanàn-dehibe. Mety hiafara amin’ny fanagiazana ny fiara mihitsy izany, hoy izy raha tratra ilay mpamily miampy ny fisintonana ny taratasy fahazoan-dalana hahafahany mamily fiara. Efa misy mihitsy amin’izao ireo tompon’andraikitra alefa any anatin’ireny fiara ireny mba hanara-maso. Ho an’ireo ivelan’Antananarivo Renivohitra indray dia samy manana ny fomba fiasany ny koperativa tsirairay avy. Ho an’ny koperativa Komafila ohatra dia ny fampiantoana ilay mpamily tsy hiasa mandritra ny telo andro no sazy omen’izy ireo ireo mpiodina an-dalana. Mizotra mankany amin’ny fampitandremana izany raha mbola mitohy hatrany izay miafara amin’ny fanesorana ilay mpamily tsy ho afaka hiasa ao anatin’ilay koperativa intsony, raha toa ka ilaina.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT