Fifamoivoizana

Taksibe mihazo an’Ivato Hiakatra 800 Ar ny saran-dalana afaka herinandro


  • Alatsinainy 22 Oktobra 2018

Toy ireo taksibe rehetra miasa eto an-drenivohitra sy ny manodidina dia hampiakatra ny saran-dalany ho 800 Ar ny taksube mampitohy an’Ivato sy Vassacos manomboka amin’ny heriny anio alatsinainy 29 oktobra.

 

Mahatsiaro ho maty antoka loatra mantsy, hono, izy ireo amin’ny fiakaran’ny vidin-tsolika tsy miato nefa mbola 500 Ar hatrany ny saran-dalana alainy amin’ny mpanjifa iray hatreto. Toraka izany koa ny halaviran’ny lalana alehany isan’andro raha oharina amin’ny taksibe hafa miampy ny fitohanana eny Ambohibao izay tena mandany fotoana tokoa. Ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana eo an-danin’izay, hoy hatrany ireo koperativa voakasika dia tsy mandeha araka izay ilana azy intsony. Tsy manaiky izany kosa anefa ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ny ATT. Tokony hilaza 15 andro mialoha amin’izy ireo  mantsy ireo taksibe izay mikasa hampiakatra saran-dalana eto amintsika, araka ny lalàna manan-kery mifehy ny asa fitaterana. Vao ny faran’ny herinandro teo anefa no nampahafantatra izany ireo koperativa telo miasa miasa eny Ivato ka tsy eken’izy ireo. Andrasana, araka izany, izay mety ho tohin’ny raharaha. Tsiahivina fa anisan’ny taksibe tena mampijaly mpanjifa ihany koa ireto taksibe mihazo an’Ivato ireto. Ankoatra ny fanarian’izy ireo mpandeha eny  Andranomena dia betsaka ireo tsy mandray ireo mpanjifa mihazo an’i Vassacos mivantana raha miainga avy any Ivato. 300 Ar be izao anefa ny fampiakarana saran-dalana  takian’izy ireo amin’ny mpanjifa  fa tsy 100 Ar akory raha tsy mihoatra ny 100 Ar ny fiakaran’ny vidin-tsolika isaky ny litatra. Azo lazaina ho fanararaotana ny mpanjifa ihany ity fampiakarana saran-dalana kasain’ny taksibe an’Ivato ity.

 

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT