Fifamoivoizana

Taksibe mihazo an’i Ivato Hiakatra 600 Ar ny saran-dalana amin’ny 01 novambra


  • Alarobia 24 Oktobra 2018

Toy ireo taksibe rehetra miasa eto an-drenivohitra sy ny manodidina dia hampiakatra ny saran-dalany ho 600 Ar ny taksibe mampitohy an’Ivato sy Vassacos manomboka amin’ny 01 novambra ho avy izao.

 

 

Hiakatra 800 kosa ny mankany Alakamisy Anosiala. Nanaiky ihany ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety rehefa natao ny fifandresen-dahatra. 800Ar ny sarany notakian’izy ireo nialoha izao noho ny fiakaran’ny solika sy ny halaviran’ny lalana alehany isan’andro, hono, oharina amin’ny taksibe hafa miampy ny fitohanana eny Ambohibao izay tena mandany fotoana tokoa. Ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana anefa tsy mandeha araka izay ilana azy intsony. Mba milamin-tsaina indray aloha ireo mpanjifa na dia nisy fisondrotany 100Ar aza ny saran-dalana miazo an’Ivato. Araka ny lalàna, 15 mialoha no mila milaza raha te hampiakatra saran-dalana ny koperativa iray. 

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT