Fifamoivoizana

Taksibe mihazo an’Ambohitrimanjaka Arahi-maso akaiky ny fomba fiasany


  • Talata 04 Desambra 2018

Mijanona ho 500 Ar ihany aloha hatreto ny saran-dalana mampitohy an’i 67 ha amin’Ambohitrimanjaka na dia nikasa ny hampiakatra izany ho 800 Ar aza ireo mpitatitra nanomboka ny faran’ny herinandro teo.

 

 

Tsy nisy nanaiky ireo mponina eny an-toerana taorian’ny fivoriana notanterahin’izy ireo niaraka tamin’ny mpitatitra noho ny haratsian’ny kalitaon’ny asan’ireo zotra miisa efatra miasa any amin’iny faritra iny. Anisan’ireny ny tsy fanajana mpandeha amin’ny alalan’ny fanariana azy ireny eny an-dalana. Ny  vava ataon’ny mpanampin’ireo mpamily, ny fampiasana ireo hazokely izay hatao solona seza eny afovoany nefa mandratra olona,  ny tsy fisian’ny fiara miasa intsony raha vao hariva ny andro nefa betsaka ireo tsy tafody… Fanapahan-kevitra tapaky ny roa tonta ny tokony hanaraha-maso ireo mpitatitra ireo aloha mialoha ny hanondrotany ny saran-dalany. Anisan’ny hanampy amin’ny fijerena akaiky izany ny kaominina Ambohitrimanjaka, raha ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna. Amin’ny ankapobeny, tsy ilay saran-dalana hiakatra loatra no olan’ny mponina fa ny kalitaon’ny asan’ireo fiara mpitatitra ireo mihitsy izay tena  tsy mandeha amin’ny laoniny intsony. Hifanatona indray ny roa tonta rehefa hita fa mihatsara ny fomba fiasan’izy ireo ka aorian’izay vao mety hiakatra ho 800 Ar ny saran-dalana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT