Fifamoivoizana

Taksibe mihazo an’ Itaosy Nitokona tsy nety niasa ny ankamaroany omaly


  • Talata 30 Janoary 2018

Nitokona tsy nety niasa avokoa ny ankamaroan’ireo taksibe mihazo an’i Itaosy toy ny zotra 133 mampitohy an’Analakely sy Itaosy, ny KOMIFI sy ny KOMAFILA omaly.

 

Antony, dia noho ny fisian’ireo andiana mpitandro ny filaminana tonga nisava ny antontan-taratasin’ny fiaran’izy ireo ka naka avy hatrany izany ho an’ireo tsy nanara-dalàna. Betsaka tokoa ireo  tratra ka voatery namonjy fodiana tsy fidiny. Kivy ireo naman’izy ireo  sasany ka tsy nisy nivoaka intsony  koa. Ireo mpandeha no nifatraran’ny rihitra. Nisy tamin’izy ireny no niandry efa ho ora iray tamina tobim-piantsonana iray saingy tsy nahita mihitsy.  Voatery nandeha dia an-tongotra ny rehetra, tranga izay mbola nitohy hatramin’ny omaly folakandro. Nanambara ny sasany tamin’ireo mpamily fa ny mahazo azy amin’ny fitohanana mihazo an’Itaosy aza efa manahirana nefa  mbola manao antsojay koa ny mpitandro ny filaminana.

 

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT