Fifamoivoizana

Taksibe miasa eto Antananarivo Zara raha mahazo vola noho ny amboteiazy


  • Alakamisy 17 Janoary 2019

Tena mafy ny fitohanana eto an-drenivohitra sy ny manodidina herinandro mahery izao. Simba vokatr’izany ny ankamaroan’ireo asa fitadiavana maro noho ny fotoana very eny am-pandehanana ka anisan’ireny ny fiara fitaterana.

 

 

 

 Ho an’ireo mihazo an’Imerintsiatosika raha araka ny fanadihadiana natao teny Anosy omaly dia ny etsy amin’ny tsenan’Anosibe sy Anosizato no tena mandany ny fotoanan’izy ireo isan’andro. Ora telo eo no laniny rehefa tsy mandefa fiara  roa indray miara-mandeha  ireo mpitandro ny filaminana etsy Anosizato, fotoana izay efa mamono fotoana hahafahany miakatra sy midina indray mandeha. Zary mihena ho telo isan’andro sisa  ny fitateran’olona vitan’izy ireo  raha nahatratra dimy teo aloha. Tsy mitondra vola mody intsony izahay, hoy ny mpamily iray fa ny volan’ny mpampiasa no tsy maintsy henjehina. 70.000 Ar no azo  izay nomarihin’izy ireo tsara fa mbola mampimenomenona ireo tompona fiara aza. Ny receveur no tena mampalahelo sy miasa maina. Mba mandray karama isam-bolana ihany mantsy ireo mpamily raha tsy mandray na inona na inona kosa fa miala maina ireo  receveur. Mbola mijanona ho 1.000 Ar ny saran-dalana miazo an’Imerintsiatosika ankehitriny. Mbola manaja ny saran-dalana tapa-dalana ihany koa izy ireo saingy misy ihany ireo manararaotra rehefa amin’ny fotoana mahabetsaka ny mpandeha.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT