Tafiditra ao anatin’ny Faritra mena tanteraka ny etsy amin’ny Petite Vitesse amin’izao.
Vao miala eny amin’ny garan’i Soarano dia efa miantso ireo mpandeha ao anatin’ny fiara entiny ny mpamily ireo taxibe mandalo eny an-toerana mba samy tsy hilalao na hampiasa ny findainy intsony aloha. Noho ny hamaroan’ireo mpanendaka eny an-toerana no anton’izany izay tsy matahotra intsony mihitsy. Tato anatin’ny 2 andro nisesy mantsy izao raha araka ny fanazavan’ny mpamily taxibe 133 iray dia olona 4 raha kely no voasintona finday tao anatin’ny fiara nentiny. Sokafan’ireo jiolahy an-tery setra avy any ivelany ny fitaratr’ilay taxibe ary alaina avy hatrany ny findain’ireo mpandeha mahazo varavarankely tsy misy tahotra sy henatra. Matahotra ihany koa ny mpamily sy ny mpanampin’ny mpamily manoloana izany ka tsy misy sahy mijanona na miteny. Miaraka amin’ny fitaovana toy ny antsy maranitra mantsy ireo jiolahy no sady manao andiany ihany koa, hoy hatrany ny fanazavana. Ireo milalao finday manao facebook na ireo sendra miantso olona na mandray antso moa no tena lasibatr’ireo jiolahy eny amin’ny Petite Vitesse ka ilana fitandremana.
Pati
Legende : Faritra tena be mpanendaka ety amin’ny Petite Vitesse ety ka ilana fitandremana !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.