TAKSIBE KOFIMI-KOMAFILA

Mampitaraina ny vahoakan’Itaosy ny fihodinana an-dàlana


  • Alakamisy 11 Janoary 2024

Tsy mety vita ny asa fanamboaran-dalana etsy amin’ny Fasan’ny Karana.

Miditra amin’ny andiany faharoa indray ny orinasa COLAS nanomboka tamin’ny Alatsinainy teo. Na izany aza anefa dia tsy tena manelingelina ny fifamoivoizana loatra io asa fanamboaran-dalana io. Tsy misy ny lalana tapaka raha izay no hanazavana azy saingy ny mampalahelo dia tena manararaotra ny fisian’izany ireo taksibe avy any Itaosy toy ny KOFIM sy ny KOMAFILA ka miodina an-dalana ny ankamaroany. Eo amin’ilay lalana amboarina miditra mankany amin’ny Fasan’ny Karana mihitsy no mijanona ny ankamaroan’izy ireo ka ho an’ireo mponin’Itaosy dia mbola mandeha dia an-tongotra 15 minitra eo ho eo vao tafavoaka an’Ankadimbahoaka ny mpandeha iray. Mbola mandoa saran-dalana 600 Ar hafa indray avy eo vao tonga any Anosy ho an’ireo miasa eny amin’iny faritra iny, antony tena mampikolay ny mpandeha. Amin’ny ankapobeny anefa dia tokony mbola ho tonga manatitra mpandeha hatreny Anosy mihitsy izy ireo, tobim-piantsonana tena tokony hijanonany no sady voasoratra ao anaty bokin’andraikitra rahateo. Marihina moa fa na ireo mpanera etsy amin’ny Fasan’ny Karana aza dia miray tsikombakomba amin’ireo mpamily sy ny mpanampin’ny mpamily ao amin’ireo koperativa roa ireo ny amin’ny tokony hiodonany eo amin’ity toerana ity mba hikaraman’iretsy voalohany ihany koa.
Pati
Legende : Sahirana amin’ny hataon’ireto taxibe ireto ny vahoakan’Itaosy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT